15/05/2019
NY TONGOLO GASY (miangavy anareo zay mahita ity publication ity zaho mba ipartager na izara azy eo journal nao sy groupe mba hanasoavanao ny hafa ko) (aime et Partager)
Ny fihinanana hasina tongolo gasy 1 arahina rano 1 vera isan’andro, tsy ao anatin’ny ora fisakafoanana, dia tena mitondra soa ho antsika, manasitrana aretina maro:
- mamono otrikaretina maro,noho izy "antibiotique naturel"
- manasitrana aretina maro hafa ao @ vatantsika
- manasitrana fery ivelany sy fery ao anaty
- Fikorontanan’ny resaka “hormones”
- Aretin’ny fo
- Mandamina ny tosidrà
- Manampy ny tsinay sy ny aretin’ny taovam-pivalanandrano
- Manasitrana ny sasany amin’ny aretin’ny taovam-pananahana
- Miaro amin’ny fahasolan’ny loha haingana loatra, ary mampirisika ny fanirian’ny volo.
- Mandroaka ny kankana
- Manasitrana ny fitohanana.
- Manalefaka na manasitrana ny sery sy kohoka.
- Rehefa marary an-doha na mavesatra atoka:maka tongolo gasy hasiny 2,voasana ary atao eo @ sofina
- Mampizotra tsara ny fisan'ny taova ary manadio ny ao anatintsika:tongolo gasy hasiny 8,vinaigre de cidre,tapaky ny kaopy,tantely tapaky ny kaopy,mixena miaraka izy rehetra,tehirizina ao anaty"frigo",dia sotroina in-2 sotro lehibe isa-maraina,afangaro rano na ranomboankazo ho an'izay tsy mahazaka.
- Manasitrana ny gripa raha afangaro tantely 1sotro ny hasina tongolo gasy 1, atao maraina sy hariva.
- Manasitrana ny aretina mahazo ny sofina: menaka oliva eran’ny sotro no hasiana tongolo gasy 1 nototoina, avela hilona kely mandritra ny adiny iray io fangaro io, io no angalana atete anaty sofina, atao tete1 na 2 isaky ny sofina marary, atao in-droa isan’andro izany .
- Mahatsara volo. Miaro amin’ny fihintsanan’ny volo: totoina ny hasina tongolo gasy 3 na 4, io no ahosotra ny hodi-doha vao avy nosasàna rano mafana sy savony tsy manitra, avela hiasa 10 mn vao kobanina rano mafana ihany ary tsy asiana savony intsony. Atao matetika isan-kerinandro izany.
- Fitaizam-batana hiadivana amin’ny homamiadana. Maka hasina tongologasy 3 dia totoina ary afangaro amina ronono soja eran’ny kaopy fisotroana dite. Avela hilona 10mn, tatavanina ary sotroina.
- raha tratra ny areti-nify tampoka: totoina ny tongolo gasy ary asisika any anatin’ilay nify marary mandra-pandehanana mijery mpitsabo nify.
NY FOMBA HANALANA NY FOFONA AO ANATY VAVA ,DIA MAKA ANTINA M**O DIPAINA,HOANINA REHEFA AVY MIHINANA TONGOLO GASY,NA MITSAKO PERSILY AVY NOSASANA TSARA.