09/06/2026
MiASA/FIDA/DEFIS: MANATANTERAKA ATRIKASA FAMPIOFANANA IREO TOMPON’ANDRAIKITRA MISAHANA NY FIKOJAKOJANA NY TOHADRANO
Notanterahina eto Ihosy, renivohitry ny Faritra Ihorombe, ao amin’ny Hôtel TAMANA, mandritra ny roa andro (09 -10 Jiona 2026) ny atrikasa fanamafisana ny fahaizamaon’ireo birao mandrafitra ny fikambanana mpampiasa rano (AUE), mba hahaizan’izy ireo hitantanana sy hikojakoja ireo lemaka voatondraka, ary mba hampaharitra izany. Ny mpampiofana dia ny avy ao amin’ny CF HIMO, fiarahamiasa amin’ny OIT, izay vatsian’ny FIDA vola, amin’ny alalan’ny fandaharanasa DEFIS, izay eo ambany fiahian’ny MIASA.
Marihana fa ny FIDA avokoa no namatsy ara-bola, ireo asa fanatsarana tohadrano ireo (HIMO), ka ireo birao mpitantana ny AUE avy amin’ireo kaominina maro, no tonga nanatrika ity atrikasa ity. Miisa 46 izy ireo, ka ankoatr’ireo filohan’ny AUE, ireo polisin-drano dia nanatrika izany ihany koa, ireo CGEAF hoan’ny kaominina voakasik’ity. Samy tonga nandefa ny solon-tenany tao avokoa ireto kaominina ireto (avy amin’ny lemaka voatondraka miisa 11) : Ilakakabe, Andiolava, Ambatolahy, Zazafotsy, Sahambano, Ranotsara ary Ivohibe.
Tanjona amin’izany dia ny hampaharetana ireo fotodrafitrasa izay vita, amin’ny alalan’ny fahaiza-mitantana sy ny fikojakojana, izay voafaritra mazava tsara : mialoha, mandritra sy aorian’ny fotoana ny orana, ary amin’ny fotoana main’andro.
Ireto avy ireo lohahevitra hampitaina mandritra ny fiofanana :
- Fomba fiasa asatanamaro manara-drafitra
- Fomba fitantanana ny AUE
- Ny anjara andraikitry ny filohan’ny AUE sy ny polisin-drano
- Ny asa fikojakojana eny amin’ny tamba-jotra…
Aorian’ity fiofanana ity, dia izy ireo indray no hampita izany amin’ireo mpikambana rehetra amin’ny AUE, hanao andrimaso akaiky ireo tamba-jotra mba hampahomby ny fitantanan-drano, hampaharitra ny foto-drafitrasa ary indrindra fa ny fampitomboana ny vokatra, mba hisian’ny fahaleovantena ara-tsakafo. Ho faranana amin’ny fizarana fanamarinam-piofanana « Certificat » hoan’ireo mpandray anjara rehetra ny atrik’asa amin’io rahampitso io.