Tsisy bedy petit

Tsisy bedy petit Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tsisy bedy petit, Antananarivo.

01/03/2020

Lehilahy manan-karena be iray izay tsy nanam-bady, tsy manan-janaka, ary tsy nanana fianakaviana hafa,
nanapa-kevitra ny hanasa ny mpiasa rehetra ao an-tranony hiaraka hisakafo aminy ny hariva ny taona vaoavo.
Niantso ny mpiasany izy ary nangataka azy ireo hipetraka manodidina ny latabatra.
Teo anoloan'ny tsirairay dia nisy Baiboly sy vola 2 tapitrisa ariary.
Rehefa tafapetraka ny rehetra, dia nanontany azy ireo ilay lehilahy Patron hoe:
* "Inona no tianareo ho fanomezana ho anareo: Ny Baiboly ve sa ny Vola 2 tapitrisa ariary?

Aza saro-kenatra, afaka misafidy izay tianareo ianareo. "*

Ilay GARDIEN no voalohany namaly hoe:

* "Ramose, tiako ny handray ny Baiboly, fa satria tsy nianatra namaky teny aho dia ilaiko sy mahasoa ahy kokoa ny vola."

Ilay MPIKARAKARA ZARIDAINA no faharoa niteny hoe:

* "Tompoko, marary mafy ny vadiko ary izany no antony ilako vola bebe kokoa, raha tsy izany dia azo antoka fa nisafidy ny Baiboly aho!" *

Ny fahatelo dia ny MPIKARAKARA SAKAFONY:

* "Andriamatoa, tiako ny mamaky ny marina, anisan'ny iray amin'ireo zavatra tiako hatao, nefa miasa mafy aho ka tsy mba manana fotoana hamakiana na dia ny gazety ary,
vao maika ny Baiboly!!! Horaisiko ilay vola. "*

Farany, dia anjaran'ilay zazalahy izay mpikarakara ny biby tao an-trano.
Ary satria fantatr'ilay lehilahy mpanakarena tompon'ny "villa" fa tena mahantra ny fianakavian'ilay zazalahy, dia nandroso izy ary niteny hoe:

* "Azoko antoka fa te hahazo ny vola koa ianao, sa tsy izany?" Afaka mividy sakafo mafilotra tsara ianao any an-trano, ary mividy kiraro vaovao, telephone vaovao,... "*

FA HOY ILAY ZALAHY TAMINY:
Ho azy, dia gaga t@ rehetra noho ny valinteniny:
* "Tsy hampalahelo ny hividy gisa sy sakafo matsiro hafa mba hozarana @ ray aman-dreniko sy ny iray tam-po amiko,
mila kiraro vaovao koa aho satria efa antitra be ity anaovako ity. Na izany aza, dia hifidy ny Baiboly aho, efa naniry hatrany ny mba hanana iray aho.
Ny reniko dia nampianatra ahy fa ny Tenin'Andriamanitra dia mendrika mihoatra noho ny volamena ary mahafinaritra sy mamy kokoa noho ny ranon-tantely.

Rehefa avy nandray ny Baiboly izy, dia nanokatra hamaky avy hatrany ilay zazalahy, nefa taitra sy gaga raha nahita valopy roa tao anatiny.

Tamin'ilay valopy voalohany dia nisy "chèque" izay avo folo heny noho ny vola teo @ latabatra.
Tamin'ilay valopy faharoa dia nisy antontan-taratasy misy soratra hoe (izay nifidy ny Baiboly), dia izy ilay mpandova ny harenan'ilay lehilahy mpanan-karena!
Niatrika ny fihetseham-pon'ilay ankizilahy sy ny fahagagana tamin'ireo mpanompony hafa, dia nanokatra ny iray tamin'ireo Baiboly ilay lehilahy mpanakarena ary novakina mafy mba hahafahan'ny rehetra maheno hoe:

"Tsy misy tsiny ny lalΓ n'i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah, mahahendry ny kely saina.
Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso.
Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy avokoa.
Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra." Salamo 19: 7-10

Enga anie Andriamanitra hanome antsika fahendrena ary hanampy antsika hanao safidy tsara hatrany.

Koa ianao izay mamaky ity hafatra ity, inona Γ ry no safidinao: NY BAIBOLY SA NY VOLA ???... ARY mba mahafoy 1 minitra ity hafatra ity any 3 misy anao ato sa hijery fotsiny ihany ???

__ Andriamanitra anie hitahy anao be dia be__

Β© Nomenjanahary Lalaina (Ilay voa tsara nafafy Association)

25/02/2020

Ndao 'ndray ilalao e! πŸŽ‰πŸ˜Š
Valio ity fanontaniana ity:
"Manan-janaka lahy enina (6) ny Raiamandreninao anisan'izany ianao, ianareo anefa dia samy manana anabavy ray (1) avy, ka firy ary ny fitambaran'isanareo rehetra?"πŸ€”
πŸ‘‰Asio j'aime ny pejy TecnTecno Mobile AnalakelyiTecno Mobile AnalakelylTecno Mobile Analakelygeo ny namanao hanisy j'aime ny pejy sy hanampy anao
πŸ‘‰Zarao @ groupe samihafa ity publication ity.

πŸ“ŒIzay olona iray mahita ny valiny marina sy manaraka tsara ny fitsipika ka dia omentsika loka.
πŸ“ŒNy faran'ny lalao dia @ lahady hoavy zao.

ampitan'ny EPP Rabearivelo
Ampitan'ny Firaisana voalohany akaikin'ny discount store saturne.

Samy ew ny tsiky sy tomany πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”
04/11/2019

Samy ew ny tsiky sy tomany
πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”πŸ‘”

15/05/2019
25/10/2018

Ndaw tsika mba ifampizara ny soa sy ny tsara ato amin 'ity page ty
Nadaw. Tsy ilaina ny we miteniteny ratsy na we mandefa zavtra mamoa fady
Andaw ary ôô

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tsisy bedy petit posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share